Andriamanitra ao amin' ny fivavahana abrahamika

Andriamanitra ao amin' ny fivavahana abrahamika dia ilay Andriamanitra tokana inoan' ny fivavahana heverina fa nandova ny finoan' i Abrahama (dia ny jodaisma, ny kristianisma, ny silamo, ny bahaisma sy ny maro hafa, izay atao hoe fivavahana abrahamika), dia andriamanitra tsy mifangaro amin' izao tontolo izao sady ambonin' izao tontolo izao (mihoa-draha), tokana sy manan-tsitrapo manokana (persôna). Ireto ny madinidinika amin' ireo fivavahana ireo: ny iazdanisma, ny samaritanisma, ny fivavahan'ny Droza, ny babisma, ny rastafarisma, ny mandeisma, ny sabakisma, ny iazdanisma ary ny iazidisma.

Ny fivavahana abrahamika dia nandova tamin' i Abrahama ny finoana Andriamanitra tokana, dia ilay fisiana ambony indrindra, tokana, mpamorona ny zavatra rehetra ary loharanon' ny zavatra misy rehetra. Amin' ny mpino ao amin' ireo fivavahana ireo dia tonga lafatra izy, tsy manam-petra, tsy miova, mandrakizay, tsara indrindra, mahalala ny zava-drehetra sy mahefa ny zava-drehetra ary andriamanitra misahana izao rehetra izao. Mpamonjy ny olombelona sy ny zavaboary rehetra, ary nanambara tena nandritra ny Tantara izy. Vokatry ny sitrapon' Andriamanitra no nampisy an' izao tontolo izao tamin' ny namoronany azy, ka noho izany dia Andrimanitra no tompon' izao rehetra izao.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search